Morafenobe – Lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo
Tao Kiranomena no raikitra ny fifandonana tamin’ny dahalo sy ny fokonolona nampian’ny zandary tamin’ny fanarahan-dia mpangalatra omby. Resy tosika ireo malaso ary rifatra nanavotra aina saingy efa nahafaty lehilahy iray tamin’ireo fokonolona ry zareo. Ankilany kosa dahalo roa no lavon’ny mpanara-dia ka navelan’ny namany teo ny fatiny. Tafaverina amin’ny tompony ihany koa ireo omby miisa 100 efa teny am-pelatanan’ireo dahalo. Tany amin’ny faritra Melaky distrikan’i Morafenobe no nitrangan’ity asan-jiolahy nahafatesana olona 3 ity. Dahalo valolahy no nanafika tao amin’ny fokontany Bekininina, kaominina Andranokoaky ny 21 jolay lasa teo. Nitondra basim-borona miisa 4 ireo mpangalatra ka tsy nisy sahy nihetsika ny tao an-tanàna ka nanaram-po ireo olon-dratsy. Rehefa lasa lavidavitra nandroaka ny omby 100 ireo malaso vao nifampivondrona ny fokonolona sady efa tonga rahateo ny zandary avy ao Ankoaky ka raikitra ny fanarahan-dia. Raikitra ny fifandonana rehefa tratra teny an-dalana ireo dahalo ka io voalaza eo ambony io no vokatr’izany. Manohy ny famotorana kosa ny zandary mba hahafahana mamantatra sy misambotra ireo mpangalatr’omby enin-dahy tafaporitsaka taorian’ny fifandonana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







