Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Maevatanàna – Nohanin’ny dahalo teny an-dalana ny omby

Omby roa tamin’ireo 25 nangalariny no novonoin’ny dahalo teny an-dalana. Nohaniny ny ampahany ary navelany teo ny ambiny. Tany amin’ny fokontany Ampotaka kaominina Mahatsinjo Maevatanàna no nitrangan’io halatr’omby io. Dahalo miisa 8 izy ireo no nanafika mpiompy iray ary omby miisa 25 no lasa tamin’izany, ny 23 jolay lasa teo. Hafa kely ny fitrangan’ny fanafihana satria tsy nahery setra ireo mpangalatra fa naka an-tsokosoko ary lasa mangingina. Efa nanjavona ny omby rehetra vao taitra ny tompony. Tamin’izay vao nanapa-kevitra ny hitady ny fananany. Tamin’izany vao fantatra fa lasan’ny dahalo ireo omby rehetra. Nantsoina ny fokonolona sy ny miaramila ary nokarakaraina ny fanarahan-dia. Nahay nandositra anefa ireo dahalo ary tsy hita popoka izay nalehany niaraka tamin’ny omby miisa 20. Ny omby 2 kosa novonoin-dry zareo teny an-dalana ary omby 3 hafa navelany velona teo ka tafaverina tamin’ny tompony. Efa niditra an-tsehatra ihany koa ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Andriba hanamafy ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo mpangalatr’omby ireo.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre