Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Ankazobe – Noraisim-potsiny ireo dahalo

Mahina ny mpanao ratsy ka nandositra avy hatrany! Raha vao nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana ny lehilahy roa nandroaka omby, tany amin’ny fokontany Fenosoa, kaominina Miantso Ankazobe dia nandosira avy hatrany. Nampiahiahy ny zandary io fihetsika io ka nanao ny fanenjehana izy ireo. Voasambotra ireo roalahy ary niaiky fa omby halatra ireo noroahin’izy ireo. Izany hoe mpikambana amin’ny andian-dahalo ireto voasambotra ireto.

Anisan’ny distrika be asan-dahalo indrindra ato anatin’ny Faritra Analamanga Ankazobe. Araka ny fantatra dia ahiana ho ringana mihitsy ny omby any an-toerana raha tsy hisy ny paikady mahomby hisorohana izany. Amin’izao fotoana izao dia any amin’ny roa alina any sisa ny ombin’Ankazobe raha avo efatra heny noho io taona maromaro lasa izay. Tena mirongatra be ny halatr’omby any an-toerana amin’izao fotoanan’ny antanandany izao hoy ny depiote any an-toerana. Anisan’ny fositra iray mampiroborobo ny halatr’omby ny fisian’ny tambajotra matanjaka sy tsara rafitra izay miainga amin’ny fangalarana, mandalo amin’ny fanadiovana, ary miafara amin’ny fitaterana sy ny fivarotana. Ny mpanao bokin’omby sandoka no tena sarotra iadivana satria tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe dahalo ambony latabatra.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre