Alarobia Amboniloha – Faty iray nihantona tamin’ny manga
Nahitana fatin’olona nihantona tamin’ny tady teny Alarobia Amboniloha omaly tolakandro. Lehilahy mbola tanora ary olona madio ihany raha ny fijery azy. Mety nananton-tena ity olona ity raha atao in-dray mitopy maso. Na izany aza, tsy nisy sahy nikitika ireo nanatri-maso sao dia vonon’olona no nitranga ka samy niandry ny fiavian’ny mpitandro filaminana. Nisy nilaza fa mbola nahita io maty io nandehandeha teny an-toerana talohan’ny nahitana azy teny ambony teny. Ireo nanatrika ny fampidinana ny razana koa dia nisy niteny fa nahitana rongony tany am-paosiny. Toa manambara ireo rehetra ireo fa namono tena noho ny famoizam-po ity lahilahy mbola tanora ity.
Ankehitriny, lasa fomba fanaon’ny olona matetika ny famonoan-tena noho ny hamafin’ny adim-piainana. Misy ireo voadonam-pitiavana ka sady tsy te hiaina intsony no te hanafay izay nampitondra ny mangidy azy. Ao ihany koa ireo tratran’ny aretina tsy ahitam-panafana ka aleony manapitra ny ainy avy hatrany toy izay hiady saina hiandry an-drafahafatesana ho avy tampoka. Ankoatra ireo, ny fahakiviana noho ny fahasarotan’ny fiainana no tena mahabetsaka ny mpamono tena. Tsy mahita hevitra hanefana ny adidy miandry azy ny olona ka misafidy ny hanapitra ny androny satria mihevitra fa any ankoatra any tsy hisy hitaky vola sy trosa aminy intsony.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







