Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Ambararata – Mpanjono maty voavely kibay

Tsy niverina intsony ny raim-pianakaviana iray monina any Ambararatana Iapanera Morondava rehefa nandeha nanjono. Nifampitadiavan’ny fianakaviana sy ny mpiray tanàna izy satria noheverina ho latsaka tany anaty rano nefa niala maina ny mpikaroka rehetra nandritra ny telo andro. Nisy nahita anefa ny fatiny rehefa afaka hateloana ary nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana. Ny fizahana natao no nahafantarana fa tsy maty an-drano ity lehilahy mpanjono ity fa nisy namono. Nisy mangana be mantsy ny faritry ny vatany ary nolazain’ny mpitsabo fa vely kibay no nahafaty azy. Nitodika hatrany tamin’ny herisetra sy lonilony ny eritreritry ny fianakaviana ary lehilahy iray mponina ao an-tanàna ihany no noahiahiana ho nahavanon-doza. Efa noraisin’ny zandary avy ao amin’ny Borigady Iampanera an-tanana ny raharaha ary mandeha ny famotorana hahafantarana ny tena zava-nisy marina. Anisan’ny tena atahorana amin’ny trangana vono olona toy izao ny mety hisian’ny valifaty ataon’ny fianakavian’ny maty amin’izay ahiahiana ho namono. Izany hatrany no mahatonga ny fitsaram-bahoaka miafara amin’ny fanafihana tobin’ny zandary. Rehefa manao ny asany mantsy ny mpitandro filaminana ka mandrara ny olona hiandry ny didim-pitsarana dia ry zareo indray no ivadihan’ny vahoaka ka iharan’ny tora-bato sy fanafihana toby mihitsy.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre