Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Morondava – Notifirin’ny dahalo ny vadin’ny tompon’omby

Tsy nananan’ny dahalo hantra mihitsy fa tonga dia norarafan’izy ireo ny tifitra variraraka ny ny ramatoa tompon’ny tanàna notafihin’izy ireo tany Analaiva Morondava. Ilay renim-pianakaviana irery no tao an-trano tamin’io  fotoana noisian’ny fanafihana io ka raha vao nahare poa-basy tany ivelany izy dia nivoaka ny zava-nisy. Teo no nahavoa azy satria tsy nitsitsy ireo dahalo fa vao maika nitifitra. Tsy maty kosa anefa ramatoa fa naratra mafy ary efa nentina tany amin’ny hopitaly ka manaraka fitsaboana ao. Omby miisa 7 no lasan’ireo dahalo tamin’ity indray mitoraka ity ka mbola tsy nisy tafaverina hatramin’ny fotoana nanomezan’ny mpitandro filaminana ny vaovao. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany mantsy zandary taorian’io fanafihanao io ka nifanehitra tamin’ireo malaso tao amin’ny rebirano Kabatomena ao amin’ny fokontany Betsipotika. Tifi-danitra no natao nefa tsy nijanona ireo mpangalatra fa vao maika rifatra nandositra nanoy ny diany ary tafaporitsaka avokoa niaraka tamin’ny omby. Efa fantatra kosa fa lasa nihazo an’I Befasy ny dian’ireo dahalo ary mitohy ny fanenjehana atao’ny zandary izay niampy isa teny an-dalana. Raha ny tokony ho izy dia fara-faharatsiny mety ho avotra ihany ireo omby raha tsy hoe angaha efa novonoin’ireo dahalo teny an-dalana.

 

 

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre