Vous êtes ici :

Mercredi 01 Mai 2024

ombre

Mandoto – zandary 25 sy fokonolona tsy nahazo dahalo

Fifandonana in-droa no nitranga nefa tsy nisy voakitika ireo dahalo.  Lehilahy iray avy amin’ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny zandary miisa 25 no naratra mafy. Io no vokatry ny fanenjehana dahalo tany mandoto. Omby miisa 100 no lasan’ireo malaso ka 9 monja no mba tafaverina. Dahalo miisa 40 izy ireo no nanafika, izay sady nirongo basy mahery vaika ka naka izay omby rehetra tao amin’ilay tanàna antsoina hoe Ampasimahamafy fokontany Amparihibara, kaominina Vasina. Efa lasa lavitra ireo malaso izay vao nanao ny fanarahana ny vatan-dehilahy sy ny zandary ary raikitra tao amin’ny “Camp pénal” Dabolava  ny fifandonana voalohany. Tafaporitsaka anefa ireo dahalo ka nitohy ihany ny fifanenjehana. Nifanehitra teo amin’ny “Pilone” tsy lavitra teo indray izy ireo ka nitohy ny fifampitifirana saingy mbola afa-nandositra ihany ireo mpangalatra niaraka tamin’ny omby 91. Niantso njamana ny zandary ary nanao andiany maro ka nohodidinina ny kizo rehetra hita any an-toerana.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre