Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Toamasina – Misokatra ny CEFOMAR hampiofana ireo te ho tatsambo

Hatramin’ny ela no efa nanirian’ny mponin’i Toamasina, indrindra ireo tanora liana amin’ny asa eny ambony ranomasina, ny mba hisian’ny ivon-toerana mpanofana ho tatsambo. Tanteraka tokoa izany fanirian’ny maro izany amin’izao fotoana izao taorian’ny fankatoavan’ ny Apmf sy ny governemanta Malagasy ity tetikasa ity. Tamin’ny alalan’ny ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ny ministeran’ny asa, ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa  ary  ny asam-panjakana. Koa ankehitriny, tonga ao  Toamasina ny ivon-toerana mpanofana ho tatsambo, antsoina hoe Cefomar na “Centre de Formation MARitime’’. Tsy haharitra ela fa ny alatsinainy  01 aogositra ho avy izao no hanomboka ny fiofanana. Ny taranja ‘’initiation maritime’’ no hatao, amin’izao fanombohan’ny fiofanana izao ka aorian’izay dia hiditra amin’ny ‘’sécurité de base’’  ny ivon-toerana. Fantatra ihany koa fa eny Tanandava no hametrahana ireo fitaovana hanaovana ny fampiharana amin’ireo vonjy voina sy vonjy taitra ao anatin’izany ‘’securité de base’’ izany. Ankoatra izay dia efa miomana amin’ny fanomezana fiofanana ho an’ireo tatsambo amperin’asa ihany koa ny ivon-toerana ‘’revalidation’’. Ity farany, izay tsy maintsy ataon’ireo tatsambo amperin’asa aorian’ny fiatoan’ny asa eny ambony ranomasina na ilay hoe ‘’débarquement’’. Aorian’ny Toamasina dia hisokatra amin’io volana aogositra io ihany koa ny  any Mahajanga. Natao izao ezaka izao, mba hanafoanana na hampihenana ny olana amin’ny tsy fananana asa mahazo ny tanora. Ny diplaoma Bepc no takiana ho fidirana amin’ny Cefomar, ary ilaina ny  fifehezana ny tenim-pirenena vahiny, toy ny anglisy sy ny hafa, izay takiana amin’ny asa an-tsambo amin’izao fotoana izao.

 

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre