Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Mananara avaratra – Taterina amin’ny sambo ny toaka gasy

Mahita hevitra foana ny olon-dratsy hanaparitahana ny toaka gasy manerana ny Nosy. Entin’izy ireo amin’ny sambo indray mantsy ny galeoka mba hampihenana ny saran-dalana no sady hialana amin’ny fisavan’ny zandary eny an-dalana ihany koa. Tamin’ity herinandro ity dia tratran’ny zandary tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny toaka gasy 2 250 litatra nafatratra tao anaty barika miisa 9. Saika hampidirina tao anaty sambo ireo toaka ireo ary tanjona tamin’izany ny hitondrana azy hamidy any Mananara Avaratra. Fetsy ilay mpanao trafika satria tsy nanaraka ny entana fa nalefa tamin’ny sambo fotsiny ka rehefa tonga any an-toerana dia misy mandray. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia fantatra fa vehivavy monina any Toamasina no tompon’ireo entana ireo. Karazan’ny efa fanao ity trafika alefa sambo ity raha ny fijery azy saingy izao kosa vao tratra. Mitobaka tanteraka ny varotra toaka gasy eto Madagasikara ary hita fa tena tsy maharaka mihitsy ny mpitandro filaminana. Misy ihany ireo tratra saingy vitsy dia vitsy nefa ny galeoka mitobaka ihany. Raha ny fijery azy dia ny fanaraha-maso mihitsy no tsy ampy satria iaraha-mahalala ny toerana fanamboarana azy ireny. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia saika mivarotra izany avokoa ny ankamaroan’ireo toerana fisotroana madinidinika eny amin’ny faritra iva sy ambanimbanivohitra rehetra.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre