Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Fanafihana – Tonga eny Alasora ny jiolahy

Manomboka miverina indray ny fanafihan-jiolahy any amin’ireo kaominina manodidina ny renivohitra. Farany teo izao dia teny Alasora indray izy ireo no nanao ny nataony ka tokan-trano iray no voatafika. Enin-dahy nitondra basy poleta fampiasan’ny mpitandro filaminana no nanao amboletra niditra ilay tranon’olona ary nanambana sy nandrahona ilay fianakaviana kely. Tsy nisy vola be anefa tao fa 5 alina ariary monja niaraka tamin’ny solosaina sy fakan-tsary ary zava-maneno no lasan’ireo olon-dratsy. Nanaitra ny maro ity fanafihana tampoka ity satria teo aloha teo dia efa mba lefilefy kely ny fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Teny Ambohimangakely izao no saika nisy tamin’ny herinandro saingy ravan’ny mpitandro filaminana mialoha ny teti-dratsy ary nisy mihitsy jiolahy maty voatifitra tamin’izany. Tsy mifanalavitra fa karazan’ny mpifanolo-bodirindrina ihany Alasora sy Ambohimangakely ka tsy fantatra na tarika iray ihany no manao ny asa ratsy eny. Heverin’ny olona mantsy fa rehefa tena mampiseho fahamailoana ny zandary eny Ambohimangakely dia lasa nikisaka eny Alasora ireo andian-jiolahy. Andrasana kosa ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fihitaran’ity fanafihana mitam-piadiana izay miverina mahazo laka tsikelikely ity indray.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre