Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Maevatanàna – Naka olona ny ranon’Ikopa

Naka olona indray ny ranon’Ikopa tany Maevatanàna. Zazalahy iray vao 9 taona no lasany ka tsy avotra fa namoy ny ainy. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia tsy tokony ho maty an-drano mihitsy ilay lehilahy io satria tsy niroboka tao anaty rano akory izy. Nanasa tongotra teo amin’ny vato teo amoron-drano izy no nibolisatra tampoka ka lasa tany amin’ny lavaka lalina ary tsy nisy azo natao mihitsy hanavotana azy. Nisy ihany ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana saingy tsy lasa lavitra izany satria niaraha-nahita fa tsy nisy namono, na ihany koa namono tena fa tena loza tsy nampoizina no nitranga.

Matetika ny malagasy amin’ny tranga toy itony dia mitondra ny fanazavana amin’ny alalan’ny resa-pinoana. Voalaza mantsy ary voaporofo araka ny zava-misy fa anisan’ny renirano mpitelina olona betsaka indrindra Ikopa. Hatrany Maevatanàna ka hatraty Antananarivo dia efa saika ahenoana olona lasan’ireo renirano mivoaka avy amin’i Betsiboka io avokoa. Ny tena mahagaga dia eny amin’ny terana be olona sy misy vavolombelona manatri-maso matetika no itrangan’ny loza ao amin’i Ikopa.  Na inona na inona anefa fanazavana dia ny fitandremana ihany no vahaolana voalohanay hisoroana ny loza toy izao satria efa iaraha-mahita ny zava-mitranga miverimberina.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre