Ankilizato – Maty motera izay fiara tohanan’ilay vato
Lazain’ny olona fa mampiasa vato mahagaga indray izao ireo mpanakan-dalana. Fanafihana nitranga tany Ankilizato Mahabo no nitrangan’izany. Notohanan’ireo jiolahy vato ny lalana ka nijanona ilay fiara mpitatitra olona. Saika hihemotra sy hiverin-dalana ilay mpamily kinanjo maty tampoka ny motera ary tsy nety velona intsony. Ireo jiolahy anefa mbola lavidavitra ihany ary nisy fotoana nahafahana nandositra mihitsy saingy tsy nety nandeha ilay fiara. Nanoloana izany dia naleon’ilay mpamily sy ny mpandeha sasany nandositra tany anaty kirihitra. Ireo olona tavelana tao anaty fiara kosa dia voaendaka rehefa tonga ireo jiolahy. Tsy nanana basy ireto farany fa antsy lavalela sy vy maranitra no nandrahonany ireo mpandeha tsy tafavoaka tao anaty fiara. Lasa tamin’izany ny vola mitentina 7 hetsy sy 3 alina Ariary sy ny kitapo maromaro nisy entana ary ny telefaonina. Nopotehan’ireo mpanafika ihany koa ilay fiara ka vaky avokoa ny fitaratra eo aloha sy aoriana. Na izany aza dia tsy nikitika ireo mpandeha ireo olon-dratsy ka tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana izay tonga nijery ny zava-misy raha vao nahare ity fanafihana ity.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







