Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambohimena – Lahilahy iray matin’ny toaka

Tao Ambohimena distrikan’Antsirabe II no nahitana ny razana ny alakamisy lasa teo. Gaga ny mponina tao amin’ny vakim-paritra Ampangabato raha nahita ilay lehilahy nitsitra teo amin’ny arabe. Rehefa nojerena akaiky dia efa tsy nisy aina intsony izy. Mbola vao tamin’ny 8 ora alina anefa no nisehoan’izany ary tsy nisy nahatsikaritra akory ny nahatongavany teo. Mety ho tsikaritry ny olona ihany ny zava-niseho raha nisy namono izy. Raha ny tombatomban’ireo nanatri-maso dia toy ny mpandalo efa mamo avy any amin’izay nalehany io lehilahy io ka nidoboka teo amin’io toerana nahafatesany io. Nanamarina rahateo ny dokotera tonga nijery ny razana fa nisy fofon-toaka be ilay rangahy ary mety ho alikaola diso tafahoatra no nahafaty azy. Ny mponina sasany kosa dia miahiahy sao sanatria nisy namosavy tamin’ny toaka izy. Toe-javatra efa mateti-pitranga rahateo izany eto Madagasikara. Efa manao fanadihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana ka ny valin’izany no hahalalana ny tena zava-nisy marina.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre