Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambatondrazaka – Dongian’ny talem-paritra ny tranon’ny kaominina

An’ny kaominina madiodio mihitsy saingy tsy fantatra izay nahatonga ity Talem-paritry ny serasera ity ho tafapetraka ao amin’io trano io hoy ny Ben’ny tanànan’ Ambatondrazaka Rafidimanana Louis Félicité raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, mahakasika ny olana eo amin’izy ireo sy ny talem-paritry ny serasera Alaotra Mangoro. Ny Ben’ny tanàna rehetra nifandimby no tokony hipetraka ao amin’io trano io hoy izy saingy tsy omeny tsotra izao izany. Efa nanao ny ala nenina izahay hoy ity Ben’ny tanàna ity izay naharitra ela tokoa saingy tsy nahitam-bokany izany ka voatery nampiakarina eny anivon’ny fitsarana ny raharaha. In-telo izay no nisy fiantsoana teny anivon’ny fitsarana hoy hatrany izy saingy tsy tonga hatrany ny ankilany. Tsy azo ekena hoy ity tompon’andraikitra ity ny fibodoana fananana tahaka izao ka hiady hatramin’ny farany izy ireo. Nisy araka izany ny fandefasana taratasy manokana any amin’ireo sehatr’asam-panjakana mahefa sy ny mpitondra aty an-toerana nampahafantarana ny zava-misy. Tsy misy idiran’ny politika na ihany koa ny ”halako bika” izao toe-draharaha izao fa fitakiana ny fananan’ny kaominina no ataonay hoy ihany ny Ben’ny tanàna Rafidimanana Louis Félicité. Mihamafana araka izany ny raharaha ary betsaka ihany koa ny olona no manaraka akaiky izany.

ANGE  R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre