Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Najabaka ny firenena

Maneno mandiso ny filazan’ny mpitondra fa tsy azon’i Madagasikara ihodivirana ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha vahiny sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena raha te handroso. Maneno sahona avokoa mantsy ireo fiaraha-miasa rehetra noheverina fa hanampy ny Fanjakana hanatanterahana ny fandaharan’asa nampanantenaina rehetra. Io izao ny tahirim-bola iraisam-pirenena (Fmi) fa midingin-drambo sahady ary mitady hifehy ny firenena sy manao tery vay manta ny Fanjakana mba hampahory ny vahoaka. Vao neken’ny tany an-dafy ny famatsiam-bola Fec dia nisarongatra ny solontenan’ny Fmi eto amintsika nilaza fa tsy maintsy ahitsy, izany hoe hampakarina ny vidin-jiron’ ny Jirama. Sahin’ilay vazaha mihitsy ny nilaza fa tsy hisy fiantraikany any amin’ny vahoaka madinika izany satria ny 20 isanjaton’ny malagasy ihany no mampiasa herinaratra, izay saika avy amin’ny sokajin’olona manan-katao avokoa. Midika mazava io filazan’ilay vazaha ao amin’ny Fmi io fa tena tsy mahalala na inona na inona mikasika ny fiainam-bahoaka ny vahiny na tsy te hahalala ihany koa. Tsy mbola nidina nijery ifotony tamin’ny faritra maro eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritany izy nijery hoe mafiady avokoa ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy mampiasa ny jiron’ny Jirama. Tena teren’ny Fmi hijabaka ny Fanjakana satria izany fampakarana ny vidin’ny jiro izany dia hitarika fikorontanana ara-tsosialy eto amin’ny firenena. Ny Fmi anefa avy eo hangoron’entana hody any an-dafy fa ny mpitondra no hisahirana hifandramatra amin’ny vahoaka eto.

Mbola nampijabaka ny firenena ihany koa ny fifandraisana amin’ny Tiorkia. Iaraha-mahita fa sompitra sady taninketsan’ny asa fampihorohoroana maneran-tany ity firenena ity no mbola anjakan’ny didy jadona sy ny fanonganam-panjakana ihany koa. Efa im-betsaka ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena no nilaza fa tsy ilaina izany fifandraisana ara-piaramanidina amin’i Torkia izany satria hanokatra mora ny fidiran’ny mpampihorohoro eto Madagasikara nefa tsy te hahalala ny Fanjakana. Ny faran’ny herinandro teo ary dia ny masoivoho Tiorka mihitsy no nilaza fa misy mpiray tsikombakomba amin’ny mpampihorohoro eto Madagasikara. Lazainy fa mpandraharaha amin’ny orinasa sy ny fampianarana no tena ao ambadik’izany. Loza amin’antambo ary tena najabaky ny Tiorka ny mpitondra malagasy satria handroso maty raibe, hihemotra maty renibe. Raha hanokatra fanadihadiana sy hikitikitika ireo lazaina fa mpiray tsikombakomba amin’ny asa fampihorohoroana mantsy ny Fanjakana dia mety hiharan’ny hatezeran’ireo mpampihorohoro ka dia hianjadian’ny vokatr’izany. Tsy hanao na inona na inona anefa dia ho lazain’ny iraisam-pirenena ho mpiray tsikombakomba ihany koa. Tena nidiran-doza mihitsy ny firenentsika satria ady an-trano any Tiorkia tsy misy idiran’ny malagasy nefa izao lazaina fa eto amintsika ny mpampihorohoro.

Mbola fijabahana iray hafa ihany koa ity resaka fandraisana ny fivoriamben’ny tany miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay na frankofonia ity. Nampiseho ny fitavozavozan’ny fomba fiasa ny tsy fahatomombanana amin’ny fanananganana ilay trano handraisana ny vahiny amin’ny fivoriana io. Mihisatra ny asa ary zara raha-mandroso satria tsy ampy ny vola hanatanterahana azy. Mazava anefa fa rehefa tena tsy mahita vola ny Fanjakana dia roa ihany ny safidy. Na handroaka vola amin’ireo orinasam-panjakana hanohizana ny asa na hivarotra harem-pirenena an-tsokosoko. Samy zava-doza ho an’ny firenena ireo satria ho faty ireo orinasam-panjakana izay efa mitsipozipozy avokoa raha horaofiana ny vola any. Hiteraka olana ara-tsosialy goavana kosa raha ilay fivarotana harem-pirenena an-tsokosoko no horaisina. Volabe tsy toko tsy forohana no efa lany tamin’io resaka frankofonia io nefa hatramin’izao, tsy hita izay vokatra azo entina hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Raha fehezina dia diso laharam-pahamehana ny Fanjakana raha toa ka nanome lanja betsaka ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny satria sady vao mainka izany nitondra fahasahiranana ho an’ny firenena no ihany koa tsy nisy fiantraikany amin’ny fanatsarana ny fianana isan-tokantranon’ny malagasy.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre