Antsiranana II – Hita ny fatin’ilay mpitondra vedety
Hita natsingevan’ny rano ny vedety iray tany akaikin’Ankinganala Antananandreny Mangaka. Ny sabotsy maraina no nahitana io razana io. Ny hariva tamin’ny 4 ora kosa dia hita ihany koa ny fatin’ny vehivavy mpandeha iray tamin’io vedety io. Mbola misy olona 2 karohina any an-dranomasina hatramin’ny omaly. Raha tsiahivina dia tsy hita ny 29 jolay teo ny lakana misy motera iray rehefa niandriaka. olona 4 no nentiny ary ireo hita faty ireo ny roa. Voalaza fa somary nanonja ihany ny rano tamin’io fotoana io ary azo antoka fa rendrika ilay vedety. Efa manao ny azo atao rehetra ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra rehetra mba hikarohana ireo mbola tsy hita. Tato ho ato, taorian’ilay andro ratsy nandalo farany iny dia mateti-pitranga ny lozan-dranomasina. Fotoanan’ny fialan-tsasatra mantsy izao ka maro ny fivezivezena nefa ny toetr’andro somary niova fa tsy toy ny isan-taona. Io no heverin’ny maro ho mahatonga izao loza misesisesy eny an-dranomasina izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







