Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mahabo – Olona 3 maty noho ny asa fampihorohoroana

Fianakaviana nanao lanonam-pianakaviana indray no naripaky ny andian-jiolahy tany. Ny sabotsy lasa teo no nitrangan’izany ka tao anaty korana mihitsy ny rehetra no niharan’ny tifitra variraraka. Maty teo noho eo ny olona 2 rotiky ny bala ary 1 hafa kosa namoy ny ainy teny an-dalana hoentina hamonjy hopitaly. Tamin’ny 3 ora maraina tany ho any no nitrangan’io fanafihana io. Tsy nisy nahita ireo mpanafika kosa ny rehetra satria niafina tao anaty aizina izy ireo. Ny fantatra fotsiny dia avy any atsimon-tanàna no niavian’ny tifitra. Tampoka ny zava-nitranga ka tsy nisy sahy nihetsika ny rehetra fa niandry ireo mpanafika ho lasa lavidavitra vao nifamonjy nijery ireo maty sy naratra ary nanao ny fomba rehetra, izay azo natao mba hanavotana ireo voatifditra nefa mbola nisy ihany ny aina nafoy. Tsy fantatra mazava ihany koa izay anton’ity fitifirana ity satria raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia tsy nangalatra ireo mpanafika fa rehefa nahavoa dia lasa nandositra. Mizarazara ny hevitry ny maro ka misy ireo milaza fa sotasota noho ny lonilony sy ny fialonana izao trangan-javatra izao ; ao koa ny manambara fa tena asa fampihorohorana ity seho ity. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ka ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mandabe ampian’ireo mpitandro filaminana hafa avy eny amin’ny manodidina no manao ny famotorana sy fikarohana ireo nahavanon-doza.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre