Belo Tsiribihina – Vehivavy notapahin-doha
Naboridana sady notapahina ny lohany. Nihorin-koditra ny mponin’i Bemarivo any Belo amoron’i Tsiribihina raha nahita ny fatim-behivavy iray nisy namono tany an-toerana ny herinandro lasa teo. Narian’ireo nahavanon-doza teo an-dalana fotsiny avy eo ilay razana rehefa vita ny asa ratsiny. Heverina fa naolana sy nendahina io vehivavy io talohan’ny namonoana azy ho faty. Tsy fantatra kosa na asan-jiolahy fotsiny no nitranga na efa valifaty nomanina hatramin’ny ela mihitsy. Efa eo ampelatanan’ny zandary ny raharaha ary misokatra ihany koa ny fanadihadiana rehetra mikasika ity vono olona feno habibiana ity. Ny tena mahagaga dia mirongatra be mihitsy ny vono olona toy izao amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Misy milaza fa manararaotra ny firohotan’ny asan-dahalo ny olona sasany dia manao valy faty amin’ireo hafa manana lonilony aminy ka ailika any amin’ny jiolahy ny rihitra rehetra avy eo. Ny valin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ihany anefa no hahafahana mahafantatra ny tena zava-nitranga marina.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







