By-pass – Nandositra ilay fiara nandona bisikleta
Naratra mafy ilay rangahy ary naterina eny amin’ny hopitaly. Nandeha bisikleta izy io izay voadonan’ny fiara teny amin’ny By-pass ny zoma alina lasa teo. Maizina ny andro ka tamin’izay no nanararaotra nandositra ilay nandona ary tsy fantatra izay mombamomba azy. Fantatra fa mpivaro-mandeha avy any Soavinandriana Itasy ity niharan-doza ity. Ankoatra io dia nisy fiara nandeha mafy ihany koa nandona fiara roa hafa teny amin’ity toerana ity ihany ny alin’ny sabotsy lasa teo. Nahitana fahasimbana avokoa ireo fiara rehetra niharan-doza ary tsy nisy aina nafoy fa ratra maivana no tena tsikaritra. Maro tamin’ireo naratra anefa no ankizy. Nandeha mafy ilay Golf ary nisongona fiara maromaro raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Nisy nifanena taminy tampoka dia niezaka ny naka sisiny izy nefa tsy voafehiny ny familiana ka nidona tamin’ireo saika nosongonany. Nisy nilaza ihany koa fa nahenoana fofon-toaka ilay mpamily. Betsaka loza mitranga iny lalana iny rehefa faran’ny herinandro satria maro ireo toerana fisotroan-toaka eny. Manararaotra mandeha mafy ihany koa ny ankamaroan’ireo mpamily noho ny lalana tsara sy malalaka. Ankoatra izany, tsy ahitana mpitandro filaminana sy takela-by firy mametra ny hafainganam-pandeha ambony indrindra eny an-toerana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







