Mahajanga – Nosakanan’ny Fanjakana ny “Fora zaza faobe 2016”
Nankalazaina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny andiany fahafito tamin’ny fora zaza faobe 2016 izay karakarain’ny fikambanan’ny Tanora Gasy Vonona tarihin’ny solombavam-bahoakan’ ny Madagascar voafidy tao Mahajanga Rahantanirina Lalao na i Nina. Tanjona ny hamadika ity hetsika ity ho hetsika ara-kolontsaina mba ho fampahafantarana ny faritra toy ny Sambatra Antambahoaka. Tsy mitsaha-mitombo ny mpandray anjara amin’izany Fora zaza faobe izany, izay efa tafakatra 900 tamin’ny andiany fahatelo . Ary raisin’ny fikambanana Tgv ao Mahajanga an-tanana avokoa ny lany rehetra, eny fa na ny Malabary ny zaza foraina aza.
Ankizy 600 isa no noforaina. Nisy ny avy amin’ny tanàna ivelan’i Mahajanga toa Ambatoboeny, Namakia tamin’ny zoma alina hifoha ny asabotsy. Ary ny sarangan’olona rehetra dia mandray anjara avokoa fa tsy ny sahirana ihany.
Raha tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Mahavoky no nanaovana azy ity hatramin’izay dia noraran’ny fanjakana satria hetsika ara-politika. Noho izany, voatery teo anoloan’ny tokontany malalaky ny trano fonenany no nanatanterahana ny hetsika rehetra. Voasakana ihany koa tao amin’ny tranobe ara kolotsaina ao Mahajanga. Tsy nisy ny fahasarotana satria efa nivonona tamin’izany avokoa ireo mpitsabo efa Matihanina sy ny fiara fitaterana marary nandritra ny famorana. Maro ny mpanakanto fanta- daza toa an’i Pierro Matatàna, i Rira, Clo Mahajanga Junior sy ny tarika mpanao vako- drazana ary hira gasy maro samihafa. Ny asabotsy dia nisy ny fizarana nofo kena mitam-pihavanana. Amin’ny taona hoavy dia hihitatra lavitra kokoa ny hetsika amin’ny fampahafantarana ny kolontsaina avy amin’ny faritra maro. Ny mpikarakara, ny solombavambahoaka Nina dia sady mpanakanto no mpikarakara hetsika ara kolontsaina na tao antoerana na tany ivelany.
E.F
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







