Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Kaominina halam-bahoaka

Rafitra ny ady eo amin’ny kaominina Antananarivo sy ny tena mponin’ny renivohitra. Ny atao hoe tena mponin’ny renivohitra dia ireo vahoaka avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mipetraka amin’ireo fokontany ao afovoan-tanàna. Izany hoe ny mponina amin’ny boriborintany voalohany sy faharoa ary fahatelo. Ireo rehetra ireo anefa hatramin’ny nitantanan’ny ben’ny tanàna vaovao dia lasa anjorom-bala ary iharan’ny fanaparam-pahefana sy ny antsojay avy amin’ny kaominina. Voalohany amin’ireny ny mpivarotra amoron-dalana izay voaroaka tsy avela hanao ny asany. Maro amin’izy ireny mantsy no mponina ao afovoan-tanàna ary nanao io asa fitadiavana io efa an-taonany maro. Sady tsy nomen’ny kaominina toerana hivarotana izy ireo no voaroaka tsy mahazo mitady vola intsony ihany koa. Manaraka izany dia ireo mpamily fiara karetsaka. Na tiana na tsy tiana dia ny saoferan’ny Taxi no anisan’ny maha Antananarivo an’Antananarivo. Vao misy horonan-tsary fanadihadiana mikasika ny renivohitra alefan’ny fahitalavitra any ivelany dia ny taxi Renault 4 sy 2Cv no mipoitra voalohany. Ankoatra izany dia zanak’Antananarivo avokoa ireo mpamily taxi atao hazalambo ireo. Fahatelo ihany koa dia ny fandrarana ny fiaran’ny mponina tsy hahazo hiantsona eny amin’ny tanànany. Efa am-polo taonany ny fiara no nijanona teny tsy nisy nikitika sady tsy nampandoavina vola rehefa injay anefa nahazo seza i Lalao Ravalomanana dia roahina sy anaovana toetra tsy zaka ny fiaran’ny mponina. Tsy mahagaga raha nitroatra ny vahoakan’Ambondrona ary nilaza fa tsy hanaiky handoa vola na inon-kitranga na inon-kihatra. Ny orinasa Easypark foana matetika no lasa halam-bahoaka nefa raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia ny kaominina no tena diso. Raha tsy nahazo alalana tamin’ny kaominina mantsy ity orinasa tsy miankina ity dia tsy hitaky vola amin’olona toy ny fanaony. Izany hoe na inona na inona fanazavana dia ny kaominina mihitsy no mahatonga ny savorovoro rehetra eto an-drenivohitra. Tsy misy afa-tsy fitakiam-bola sy fandroahana, ary fanasaziana no mba asa ataon’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany. Ny tena loza dia ny mponina tsotra izay nifidy ny ben’ny tanàna ihany no tena hanaovany antsojay. Ireo olona tena tsy manara-dalàna sy olon-dratsy tsy mba voakitikitika mihitsy. Roa taona mahery izao ny ben’ny tanàna no teo nefa tsy mba nisy mihitsy fepetra noraisina hanafoanana ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra. Na fivoriam-pokontany iray hananganana vaomieran’ny fandriam-pahalemana sy handrafetana paikady ho fiarovana ny isan-tanàna aza tsy vitan’ny kaominina ny nikarakara izany. Polisy kaominaly hanenjika sy hidaroka mpivarotra ary hanasazy mpitondra fiarakaretsaka sy ny fiaran’olona mijanona eny an-tanànany no mahamaika ny kaominina. Hadinon’ny ben’ny tanàna tanteraka, mba tsy hilazana hoe tsy fantany mihitsy fa miandry ny asa fampandrosoana ny tanàna ny vahoakan’Antananarivo. Izany asa fampandrosoana izany dia ny fananganana fotodrafitrasa goavana sy maoderina. Anisan’izany ny tsena manara-penitra sy ny fanamboarana ny lalana ary ny fananganana toeram-piantsonana vaovao isam-pokontany. Raha tsy mahavita ireo ny kaominina dia tsy tokony handroaka sy hanenjika mpivarotra sy fiara mihitsy satria mbola nandositra nandritra ny 5 taona tany  Afrika atsimo ny ben’ny tanàna ankehitriny dia efa teo ny mpivarotra sy ny fiara. Ny fahatongavana eo amin’ny sezan’ny ben’ny tanàna dia tsy natao mihitsy hanaparam-pahefana hampijaliana ny vahoaka sy handrodanana ny rafitra efa nisy. Alohan’ny hanaporetana ny madinika dia mila mandroso soson-kevitra aloha fa tsy atao bontolo ny fitantanana ny tanàna. Tsy mahagaga raha lasa halam-bahoaka ny mpitantana ny kaominina satria zatra manao didy jadona sy teny tsy valiana toy ny any amin’ny orinasa.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre