Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Vatovavy fitovinany – Entina any Vondrozo ireo omby halatra

Efa hita ny lalana fitondran’ireo dahalo mpanafika any Vohipeno satria entin’izy ireo mankany Vondrozo ny omby nangalariny. Ny herinandro lasa teo dia nisy fanafihana tao Vohipeno ary nandositra nihazo an’i Vondrozo ireo malaso niaraka tamin’ny omby. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary sy ny fokonolona ary nampandrenesina ihany koa ny mpitandro filaminana tany Vondrozo ka nanao sakana avy hatrany. Nifanehatra tao amin’ny kizon’Ambakolombo kaominina Mahavelo ny roa tonta ka raikitra ny fifandonana mahery vaika. Lavo tamin’izany ny dahalo iray ary ny namany hafa kosa nandositra ka tafaporitsaka tany anaty akata. Tafaverina avokoa ny omby rehetra afa-tsy iray izay voatifitra tao anaty fifandonana. Efa fantatry ny mpitandro filaminana ny anaran’ilay dahalo maty voatifitra sy ny toerana nonenany ka mety hanampy betsaka amin’ny tohin’ny fanadihadiana. Tena nahay nifarimbona sy niara-niasa ny samy mpitandro filaminana avy amin’ny borigady samihafa sy ny fokonolona ka izay no nahazoana izao vokatra izao. Tsy dia maro rahateo ireo dahalo satria niisa 6 monja ka tsy nahovoka nanoloana ny be noho vitsy. Nankahery ny olona any an-toerana ity vokatra ity ary nanaporofo fa azo atao tsara mihitsy ny miady amin’ny asan-dahalo rehefa misy ny firaisankina sy hy fifampitokisana.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre