Lozam-pifamoivoizana an-dranomasina – Tsy fantatra ny niafaran’ny sambo “lucianna”
Ny marainan’ny alakamisy 28 jolay 2016 no niainga niala teo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo Lucianna nentin’ny komandà KAMOSA, ka nanao fiantsonana vetovety tao amin’ny nosy Sainte Marie ny alin’io alakamisy 28 jolay io, nialohan’ny hizorany indray hamonjy an’i Mananara avaratra. Olona miisa 11 no tao anatin’ity sambo mpitatitra entana ity ka ekipa miasa ao anatiny ny 7 ary mpandeha kosa ny 4 izay tafara-dalana tamin’izy ireo. Tsy mbola tonga any Mananara avaratra anefa io sambo io hatramin’izao, sady tsy any Antaha akory, araka ny filazana avy amin’ny Apmf. Vinavinaina ho nilentika eo anelanelan’i Baie d’Antongil izany sambo tsy mbola hita popoka izany. Efa mandeha ny fikaroahana samihafa ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny manandrify izany, manoloana ity tranga niseho teny amin’ny fari-dranomasina mampitohy an’i Toamasina amin’Antalaha ity
ZOUZOUH Toamasina.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







