Miarinarivo – Nodoran’ny havan’ireo mpanolana ny trano
Heverina fa ny havan’ireo mpanolana no nandoro ny trano ary nikasa ny hamono mahafaty ny ray amandrenin’ilay lasibatra mihitsy izy ireo. Tany amin’ny fokontany Amboara, kaominina Mandiavato Miarinarivo no nisehoan’io tranga io ny alahady lasa teo. Araka ny tatitry ny zandary dia tsy fantatra izay nandoro ilay trano tafo bozaka misy rihana iray fa efa nijoalajoala ny afo vao nikoropaka ny rehetra. Tany ambony rihana rahateo no nisy ireo mpivadu lehibe nokendrena ho vonoina izay tsy afaka nivoaka nanavotr’aina satria nisy nanongotra ny tohatra. Narian’ireo olon-dratsy tany amin’ny 100 metatra miala ilay trano io tohatra io. Tsy nisy naratra kosa anefa ny tao an-trano satria nifarimbona namono ny afo sy nanao ny fanavotana ny mpiray tanàna. May lasa lavenona kosa ny tahiry kely tao an-tsompitra dia voanjo 100kg, tsaramaso 12 kg. Fantatra fa nisy vehivavy voaolana tao amin’io trano io iray volana lasa izay. Voasambotra ireo roalahy nahavanon-doza ary efa nidoboka eny am-ponja. Heverin’ny manodidina fa valifaty nataon’ny olona akaiky ireo mpanolana ireo no nahatonga ity hain-trano ity.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







