Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Fenoarivobe – 13%-n’ny omby no tafaverina

Omby 100 no lasan’ireo dahalo ka ny 13 ihany no tafaverina amin’ny tompony ary ny 8 kosa novonoin’ireo mpangalatra teny an-dalana. Tany Merimandroso Fenoarivobe no nitrangan’izany ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Dahalo 50 lahy mirongo basim-borona no nanafika ny tanàna ary nampihorohoro ny mponina sy nandroaka ny ombin’olona izay voaangony tao. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary vao naheno ny fanafihana ary manam-boninahitra mihitsy no nitarika ny fanarahan-dia. Tokony ho tsara kokoa ny vokatra raha tsy tara ny fampandrenesana satria ny ampitson’ny fanafihana vao nisy nilaza tamin’ny mpitandro filaminana ny zava-niseho. Izany hoe efa nahato tombon-dalana iray andro ny dahalo izay vao afaka nanenjika ny zandary. Nilaza ny tsy hanaiky mora ny fitsoahan’ireo malaso anefa ireto farany ary nametraka paikady hanakanana ny dian’ireo mpangalat’omby tsy ho lasa lavitra. Efa nifandray sy nametraka tetika iarahan’ny borigadin’ny zandary rehetra any amin’ny manodidina an’i Fenoarivobe ka nodidinina sy arahi-maso avokoa ny kizo rehetra any an-toerana. Raha ny tokony ho izy dia tsy tafavoaka ireo omby sisa mbola any amin’ireo dahalo fa tsy maintsy nafenina any amin’ny kizo na tanàna akaikikaiky any ihany.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre