Amborovy – Vazaha vavy voatifitra teny ambony quad
Vehivavy teratany vahiny iray no narary mafy notifirin’ny jiolahy mpanendaka tany Amborovy Mahajanga ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitaingina quad na ireny môtô misy kodiarana 4 ireny ity voaendaka ity. Dimy lahy ireo mpanendaka, izay nitondra basy poleta sy antsy maranitra no sady nanakana ilay andriambavilanitra. Notakian’izy ireo vola ilay vahiny ka rehefa tsy nanana dia nendahan’ireo tontakely ny rojo volamena teny an-tanany. Raha efan’izy ireo izany dia nanararaotra nandositra tamin’io fitaovam-pitaterana io ireo olon-dratsy. Nitifitra avy hatrany anefa ireo jiolahy ka voa teo amin’ny valahany ilay vehivavy ary nidaraboka tamin’ny tany no sady naratra mafy. Nivadika mihitsy ilay quad satria voatifira teo amin’ny kodiarany ihany koa. Nentin’ny olona tany amin’ny hopitaly manara-penitra ilay lasibatra ary efa manao ny fanadihadiana any mpitandro filaminana. Sokajian’ny maro ho efa tena fanafihana mitam-piadiana ity tranga ity fa tsy fanendahana sy sinto-mahery toy ny mahazatra fotsiny. Manahy noho izany ny mponina any an-toerana sao dia hiverina indray ny asan-jiolahy mahery vaika miharo herisetra sy vono olona. Divin-janahary mantsy no tsy nahafaty ilay vazaha vavy satria raha nihilana kely fotsiny ny bala dia tany amin’ny faritra tsy azo hivalozana no niantefa.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







