Fampanantenana mampikorontana
Nazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika fa haverina amin’ny Fanjakana ary hozaraina amin’ireo malagasy efa nanajary am-polo taonany maro ny tany izay nobodoin’ny mpanjana-tany taloha. Raha tsiahivina kely dia nandritra ny kabary fifampiarahabana tratry ny taona 2016 tamin’ny volana janoary iny no nanaovany izany. Nahavelom-bolo sy nampitsiry ny fanantenan’ny vahoaka io, indrindra ireo mpamboly sy ireo mponina any ambanivohitra satria efa tena mampikorotan-tsaina loatra ny resaka ady tany eto Madagasikara. Matetika mantsy na dia efa nanajary am-polo taonany maro aza ny taranaka nifandimby dia misy olona mijoro tampoka milaza ho tompon’ilay tany ary manana taratasy ara-panjakana mihitsy izy ireo. Toy izany hatrany mazàna no fisehon’ny ady tany eto Madagasikara. Raha naheno ny fampanantenan’ny filoha anefa ny vahoaka dia faly satria afaka hosoratana amin’izy ireo amin’izay ny tany.
Tsy izany anefa no nitranga fa nisy ireo fetsifetsy sy tia kely nipoitra tampoka avy any amin’ny tsy fantatra any ary nanangana fikambanana mpangala-tany. Saika iharan’izany avokoa ireo tendrombohitra rehetra manodidina an’Antananarivo, indrindra iny amin’ny kaominina Ambohimangakely iny. Milaza ireo tontakely ireo fa efa niteny ny filoha fa hozaraina amin’ny malagasy ny tany ka tonga izy ireo haka ny anjarany. Ireo nanajary am-polo taonany indray no toa lasa tompony mangataka atiny satria ireo fatritran’olon-tsy fantatra dia manao be fiavy sy amboletra ary mamariparitra izy tany rehetra hitan’ny masony. Ny tena loza dia sady mamaritra izy ireo no mivarotra. Ambonin’izany dia mandrahona hamono hahafaty ny tompon’ny tany nangalariny ihany koa. Milaza ho manana fikambanana maromaro ara-panjakana ary misy olona ambony manohana ireo mpangala-tany ireo. Misy amin’izy ireo ihany koa no sekta ka tafiditra amin’izany ny fikambanam-pivavahana iray.
Manoloana ireo tranga rehetra ireo dia mody fanina ary tsy mijoro ho mpanelanelana mihitsy ny tompon’andraikitry ny kaominina Ambohimangakely. Vao mainka aza ny sasany amin’ny mpiasan’ity kaominina ity misarongatra miaro ireo mpangala-tany izay tsy nonina teny Ambohimangakely hatramin’izay niainany nefa mamaritra tany amina hektara maro. Heverin’ny olona fa manao kolikoly any ambadika any ireo mpangala-tany ireo matoa tsy misy sahy mikofoka ny tompon’andraikitra.
Tsara ny fanapahan-kevitry ny mpitondra Fanjakana ny hizara ny tany amin’ny vahoaka saingy tsy ampy kosa satria tsy nisy ny fepetra mazava noraisina hanatanterahana izany. Io no nohararaotin’ireo mpijirika sy olon-dratsy te hanan-karena tampoka nefa tsy te hiezaka sy hiary.
Noho izany, lasa miteraka fikorontanana goavana eny anivon’ny fiarahamonina ilay fampanantenan’ny Filoha noho ny tsy fandraisana andraikitry ny Fanjakana sy ireo tompon’andraikitra ifotony mba hisorohana ny hihitaran’ny raharaha.
Rehefa tena jerena mantsy dia karazan’ireny olona mpatory an-tsena ireny ireo mpangala-tany ary mitondra be sandry mamo rongony vonona ny hamono mahafaty izay misakantsakana azy ireo. Heverin’ny mponina ho tena tambajotran-jiolahy avo lenta mihitsy no ambadik’io fangalaran-tany eny Ambohimangakely io satria mirehareha fatratra tsy miafina izy ireo nefa olona tsy dia haninon-tsy haninona ary fanetriben’ny firenena ny ankamaroany. Mody mialokaloka ao ambadiky ny hoe fikambanan’ny vahoaka madinika ary tsy sahin’ny tompon’andraikitry ny kaominina roahina. Efa nisy mihitsy fotoana niantsoan’ny fokonolona zandary saingy nitazam-potsiny ireo mpitandro filaminana ary nivaivain’ireo mpangala-tany nefa tsy sahy nihetsika.
Izany rehetra izan dia vokatry ny fampanantenana tsy arahin’asa ka lasa ny samy vahoaka no mifandrafy sy mifampitsentsitra ary mitady hifamono. Io mampanantena poak’aty io ihany nefa tsy manatanteraka ny asa rehetra sy manday ny andraikitra tandrify izany akory no tena mampihena isan-tsegondra ny fitiavan’ny vahoaka ny mpitondra Fanjakana ankehiriny.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







