Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Tsarahonenana – Mpibata entana matin’ny toaka

Efa reraka be izy vao hitan’ny olona ny maraina. Mbola nisy aina kely ihany ka nampisotroin’ny namany ravim-boafotsy mafana izy. Vao avy nitelina izany anefa ilay lehilahy dia niaka-boamaso sy niala aina ary tapitr’andro teo noho eo. Teo vao nikoropaka ny rehetra nijery ity loza nitranga ary tsy nisy azo natao intsony taminy. Teny Tsarahonenana no nitrangan’io faty olona vao maraina io tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fantatra fa mpibata entana ity nindaosin’ny fahafatesana ity ary malaza ho mpisotro toaka tena ikoizana ao an-tanàna. Ny omaly alin’ny andro nahafatesany dia mbola nisy nahita azy nisotro toaka sy mamo tampona. Tsy nody tany amin’ny vady aman-janany anefa izy fa nandeha natory tao amin’ny trano hazo tsy misy hidiny iray eo an-tanàna ihany. Efa fanaoiny ny toy izany rehefa mamo izy hoy ireo olona mahafantatra azy. Tsy fantatra izay zava-nitranga tao nandritra ny alina fa dia izy nanary aina vao maraina sisa no hitan’ny olona. Heverin’ny maro fa tsy nihinana tsaky ity mamolava maty an-dalana ity ka ny toaka no nilona mandra-paharainan’ny andro tao anaty vavoniny no niteraka ny fahafatesany. Tsy nisy rahateo ny fizahana ny razana teny amin’ny hopitaly na ny antsoina hoe « autopsie » nahafahana namaritra mazava na tena tsy nahazaka toaka, na voapoizina na ihany koa aretina hafa no nahafaty azy. Ny mafiady mantsy tsy mba manam-bola hanarahana ny fanadihadiana fa dia matimaty foana fotsiny toy izao.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre