Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Maroantsetra – Latsaky ny 19% ny taham-pahafahana Bepc

Faran’izay ambany satria tsy nahatratra ny iray ampahadimin’ny mpiadina akory no afaka fanadinana Bepc tany Maroantsetra. Raha ny marimarina kokoa dia 18,88% ny taham-pahafahana tamin’ireo fanadinam-panjakana ireo rehefa nivaly ny alatsinainy lasa teo izany. Kivy tanteraka ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary voaporofo fa nikorosy fahana ny kalitaon’ny fampianarana any an-toerana. Tsy te ho diso ary tsy sahy nanome tsiny ny Fanjakana ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any Maroantsetra ary nilaza fotsiny fa mila fanarenana haingana io taham-pahafahana ambany dia ambany io. Notononiny ho tompon’andraikitra amin’izany ny olona sy sehatra rehetra izay voakasiky ny tontolon’ny fanabeazana. Nambaran’ny mponina any an-toerana fa efa hatramin’ny ny ela no marisarisa ny fampianarana ao Maroantsetra satria efa an-taonany vitsivitsy no nihena hatrany ny tahan’ny ankizy afa-panadinana Bepc. Ny tena tadidin’ny maro dia ny hoe tao anatin’ny 3 taona nisesy, izany hoe nanomboka tamin’ny taona 2014 dia nihena hatrany ny tahan’ny ankizy afaka Bepc. Rehefa jerena anefa dia tena ao anatin’izao fitondram-panjakana ankehitriny izao io tsy fahombiazana io no nipoitra. Sokajian’ny ray aman-dreny sasany ho tsy fahaiza-mitantana avy amin’ny tompon’andraikim-panjakana no tena rangory fototr’izao tsy fahombiazan’ny zanak’izy ireo izao.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre