Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Mampikony – Trano 37 lasa lavenona Ariary 160 tapitrisa ny fatiantoka

Tsy nisy nahalala izay niandohan’ny afo fa izy efa nijoalajoala no nanaitra ny manodidina tany amin’ny kaominina iray any Mampikony. Nihitatra vetivety tao anatin’ny fotoana fohy, noho ny haintany sy ny fitsokan’ny rivotra mafy ny afo ka tao anatin’ny minitra vitsy dia trano miisa 37 no nirehitra. Tsy afa-nanoatra nanoloana ny zava-nisy ny mponina na dia niezaka ihany aza nifehy ny firehetana. Ny nanavo-tena sisa no azo natao ka mba tsy nisy maty sy naratra tamin’ity loza goavana ity. Tombanana hatrany amin’ny 120 tapitrisa any ho any kosa ny tombambidin’ny fananana lasa laveno avy amin’ireo fianakaviana miisa 116 izay manjary tsy manan-kialofana tsy fidiny. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ireo malala-tanana ireto niharam-boina ireto, noho izany, satria fongana tanteraka izay nihariana an-taonany maro. Ny akanjo teny an-koditra sisa no fananana tafajanona ho azy ireo. Efa mandeha ny famotorana momba ny antony tena nahatonga ity hain-trano goavana ity saingy manahy ny mponina fa tsy hitondra inona ho azy ireo izany. Tsy ho voasolo mihisy mantsy ireo fahavoazana mitentina 120 tapitrisa Ariay ireo na dia ho fantatra aza ny niavian’ny loza. Entina hakana lesona hisorohana ny tsy hiverenan’ny hain-trano ao an-tanàna fotsiny angamba sisa izay ho valin’ny fanadihadiana eo.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre