Fanoarivo Atsinanana – Zaza mianadahy matin’ny hain-trano
Zazavavy kely vao amam-bolana sy ny anadahiny vao 7 taona monja no niara-maty vokatry ny hain-trano. Tamin’ny 7 hariva no nitrangan’ny loza. Izy ireo irery no tao an-trano tamin’izay nefa nisy labozia nirehitra tao ka mety nokitihin’ireo zaza ary izay no nitarika ny firehetana. Ny renin’izy ireo kosa lasa nitsoriaka nivoaka nividy zavatra tany ivelany araka ny filazany. Nihitatra be anefa ilay afo ary nahazo trano miisa 23 hafa ka ora efatra taorian’ny firehetana , izany hoe tamin’ny 11 ora alina vao tena voafehy tanteraka. Fianakaviana miisa 40, noho izany, no lasa tsy manan-kialofana tsy fidiny ary rava fananana tanteraka. Efa nidina ifotony nizaha ny zava-nisy ny tompon’andraikitra rehetra any an-toerana mba hijerena ny fanampiana maika sy ny fandarisana an-tanana ireo tra-boina. Araka ny fantatra dia efa fanindroany izao no nitrangan’ny hain-trano tany Fenoarivo Atsinanana tamin’ity taona ity.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







