Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Antananarivo – Manakaton-trano ny mpivarotra henomby

Maro ny mpivaro-kena no manakatom-baravarana hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Araka ny fantatra dia tsy te hampihena ny vidin’ny henomby izy ireny ka aleony aloha tsy miasa mihitsy. Fantatra nefa fa nihena be ny vidin’ny hena hatramin’iny faran’ny herinandro iny satria efa lasa enina arivo ariary mahery kely fotsiny izany. Tia tena loatra ireo mpivaro-kena ka maro ireo tsy nampidina ny vidin’ny hena ary eo koa ireo nisafidy ny hanakaton-tsena mihitsy. Hatramin’ny omaly dia tsy mbola tazana firy ireo heverina ho mpanara-maso ny vidin’entana fa dia samy manao izay danin’ny kibony sy ny saim-pantany ireo mpivarotra . Eny Andravoahangy ambony izao dia mbola mahatratra Ar 12 000 ny kilaon’ny nofon-kena na dia efa ny antsasak’izay aza no angalan’ny mpivarotra ny hena ambongadiny. Voalazan’ireo mpivarotra fa mety mandalo ihany ny fihenan’ny vidin’ny omby ka izay no tsy ampidinan’izy ireo ny vidin’ny iray kilao. Misy ihany koa mpivarotra milaza fa mihena ny isan’ny omby mitobaka eto an-drenivohitra. Misy amin’ireo mpandraharaha hoy izy ireo no manararaotra manangona omby marobe amin’ny vidiny mora amin’izao fotoana izao ka mitetika ny hivarotra izany lafo afaka fotoana vitsy.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre