Ambatondrazaka – Mitotongana ny vidim-bary
Tafidina hatrany amin’ny 100 ariary ny kapoakan’ny vary fotsy any amin’ny toerana sasany ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Didy iny. Noho ny haratsian’ny lalana no tena mahatonga io vidim-bary io hoy ny tantsaha. Tsy misy hevitra mihitsy hamoahana izany amin’izao fotoana izao satria tsy misy na fiara iray aza tonga any an-toerana. Ny môtô no miasa any amin’izy ireo kanefa tsy mahazaka entana akory izy ireny ary mbola sahirana mafy ihany koa raha sendra mpanamory tsy za-dalana. Tsy ny ao ihany fa saika any amin’ireo toerana saro-dalana dia iharan’io fahambanian’ny vidim-bary io avokoa. Mahazo vahana ireo banky madinika mpampisambo-bola izay manao irony fanangonam-bokatra any ifotony irony satria izy ireo ihany no manana trano azo hitehirizana izany ka izay vidiny tiany atao eo no ataony. Tsy manan-tsafidy ny tantsaha hoy ireo mponina any amin’ireny faritra ireny satria mila vola na dia hita izao aza fa mahafatiantoka ny vidiny.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







