Fenoarivo – Naratra mafy ilay nitrongy taxibe
Mpitondra skotera iray indray nbo naratra mafy teny Fenoarivo noho ny lozam-pifamoivoizana izay izy ihany no nahatonga azy. Tsy voafehy mantsy ilay moto ka nitrongy taxibe sprinter. Fifandonan’ny kely sy lehibe no nitrangaka satria rava ilay moto ary tsy dia nisy fahasimbana firy ilay fiara fitateram-bahoaka. Ankoatra izany dia tsy nisy naninona avokoa ireo olona tao anaty taxibe. Saika ho isan’andro dia mamoa-doza foana ny skotera eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy azo tenanina sy hanarina rahateo ireo mpitaingina azy ireny fa avo vava sy be famaliana ary mahita fanazavana foana. Hadinon’izy ireo fa faty na rara goavana hatrany no miandry ny mpitondra skotera rehefa misy loza mitranga. Ny mpitandro filaminana rahateo tsy maharaka intsony amin’ny fanaraha-maso satriabe loatra ireo moto tsy tomombana ara tekinika mifamezivezy. Tena lasa loza mitatao ho an’ny mpitondra azy sy ho an’ny mpampiasa lalana rehetra mihitsy ny moto ka mila rafitra vaovao ny fampiasana azy mva hampihenana ny loza matetim-pitranga
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







