Alaotra – Nitokona ny mpitatitra
Antsojay miampy tsindry hazo lena tsotra izao no voalazan’ireo mpitatitra mampitohy an’Ambatondrazaka sy Tanambe ho mihatra amin’izy ireo ka nanehoany ny firaisankina niara-nitokona tsy niasa nanomboka ny alatsinainy 08 aogositra 2016. Miantefa any amin’ny tompon’andraikitra ka itakian’izy ireo ny famahana haingana ny olana izao fitokonana izao. Vokatr’izany, maro tamin’ireo mpandeha no tavela tany amin’ny toerana tokony ho niaingany tamin’io andro io ary voatery nijery vahaolana hafa raha tena maika. Tsy nambaran’ireo mpitatitra tamin’ny antsipiriany kosa anefa ireo karazana anton-javatra nahatonga ny fitokonana ankoatra ireo efa voalaza etsy ambony ireo ary nilaza izy ireo fa tsy misy fetrany ny fotoana anatanterahany izany raha tsy voavaly ny fangatahany.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







