Andoharanofotsy – Mpivarotra akoho notafihina tamin’ny basy
Teny Belambanana Andoharanofotsy no nitrangan’ny fanafihana ny fiandohan’ny herinandro teo. Mpandraharaha amin’ny fivarotana praovandy sy zanak’akoho no lasibatry ny jiolahy telolahy mitam-piadiana . Nandrasan’ireo olon-dratsy teo am-bavahady hiditra ny tranony ilay mpivarotra ary norahonan’izy ireo tamin’ny tifi-danitra avy hatrany. Natahotra noho ny ainy ilay lasibatra ary nanaiky mora hanome izay notakian’ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny vola 8 tapitrisa ariary sy ny taratasim-bola miisa 2 ary ny fahazoan-dalana mamily fiarakodia. Rehefa tonga teny an-toerana ny zandary dia nahita taim-bala sy bala iray tsy mbola nipoaka. Mety hahafahana miroso kokoa amin’ny fanadihadiana ireo bala tavela ireo. Nampiseho ity fanafihana mitam-piadiana ity fa na dia efa voasambotra sy naiditra am-ponja aza ilay polisy nolazaina fa mpiara-dia amin’ireo mpanafika eny an-toerana dia mbola mihaodihaody eny ihany ireo andian-jiolahy. Raha iverenana dia niteraka savorovoro teny amin’ny tribonaly ny fampidirana am-ponja ilay polisy nosamborin’ny zandary ary voarohirohy ho anisan’ny mpikambana amin’ny jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eny Andoharanofotsy. Nitangoronan’ny naman’ilay polisy mantsy ny mpitory ary norahonan’izy ireo.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







