Andoharanofotsy – Matin’ny hamamoana rafotsy
Vehivavy lehibe efa 50 taona no voalaza fa matin’ny hamamoana teny Andoharanofotsy. Hita faty irery tao an-tranony izy ary mbola nahenoana fofon-toaka ny razana. Nisy nilaza ihany koa fa mbola nahita azy nisotro toaka talohan’io nahafaty azy io. Mihamaro ireo olona matin’ny toaka sy ny hamamoana tato ho ato. Vao tsy ampy tapa-bolana akory izay no nisy raim-pianakaviana ihany koa voa toy izao teny Tsarahonenana. Lasa ihany ny sain’ny mpanara-baovao ny amin’ny hoe sao dia ilay toaka sotroina mihitsy no tsy manara-penitra ka mahatonga izao faty olona misesisesy izao. Tsy voalaza kosa hoe karazan-toaka inona no nosotroiny fa raha ny tranga matetim-piseho dia ireo sokajin’olona tsy dia manan-katao eo anivon’ny fiarahamonina no tena matin’ny toaka. Heverin’ny maro, araka izany, fa ireo toaka tsy dia lafo vidy no amidy antsinjarany, na ihany koa ny toaka gasy mihitsy no tena misy singa tsy zakan’ny vatan’olombelona sasany ka mahatonga izao loza misesisesy izao. Tsy mbola nanambara kosa anefa ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitry ny minisitera misahana ny varotra sy misahana ny fahasalamana fa hanao fanadihadiana mikasika ireny toaka amidy eto amintsika ireny. Tena andraikitry ny fanjakana mihitsy izany satria na mamolava aza ny olona iray dia manan-jo harovana manoloana ny voka-dratsin’ny zava-pisotro amidy eny amin’ny mpivarotra.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







