Fanakanan-dalana tany Ambatondrazaka – Ahiana ho mpiray tsikombakomba ny mpamily
Ilay mpamily ihany no ahiahian’ireo mpandeha voatafika fa mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpanakan-dalana. Teo anelanelan’i Vohidiala sy Tsaramandroso no nitranga ny fanafihana ka jiolahy miisa 2 nitondra basy sy sabatra no nanakana ilay taksiborosy. Voaroba tamin’izany ny vola mitentina 20 tapitrisa Ariary an’ny mpandeha 3 samihafa. Voalazan’ireo very vola fa nijanona avy hatrany ny mpamily vao nahita vato teo afovoan-dalana nefa tokony ho mbola afaka nandeha ny fiara. Ny andro anefa tamin’io efa tamin’ny 1 ora maraina. Noho izany dia nanao izay sitra-pony ireo mpanafika izay toa efa nahafantara fa nisy volabe tany amin’ireo mpandeha ireo. Nilaza ny hametraka fitoriana ny mpamily, , ireo mpandeha. Ho setrin’izany dia nilaza hitory ireo mpandeha ihany koa ilay mpamily voaendrikendrika. Voadaroka sy naratra mantsy izy no sady nisy fahasimbana ihany koa ny fiara nentiny. Efa mandray andraikitra ny mpitandro filaminana ka ho hita eo izay ho tohin’ity raharaha ity. Ny azo antoka aloha dia tsy mandry ny tany ary ahiahy tsy hihavanana ka lasa mifanasoketa ireo lasibatra rehefa misy asan-jiolahy toy izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







