Manja – Tratra ireo nampiantrano dahalo
Saron’ny mpitandro filaminana ireo olona nampiantrano dahalo mpamono zandary tany Marerano Manja. Taorian’ny nahafaty ilay zandary dia nanao hetsika manokana avy hatrany ny namany ka nanao ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia rehetra. Tsy tratra tao amin’ny toerana nahafaty ilay zandary intsony ireo nitifitra azy fa olona nampiantrano azy ireo no saron’ny zandary. Nosavaina ilay trano ary nahitana basim-borona iray sy bala karazany maro. Nibaboka ireo mpiray tsikombakomba ary nitantara tamin’ny mpitandro filaminana fa lehilahy roa ireo namono zandary ary lasa nitsoaka. Tsy hijanona hatreo, noho izany, ny fanadihadiana fa vao maika hitohy mandra-pahasamborana ireo nahavanon-doza. Tena efa mirongatra tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana sy herisetra eto Madagasikara ka hatramin’ny zandary indray izao no lasibatra voalohan’ireo olon-dratsy. Ankoatra ny fikasana hangalatra ny fitaovam-piadian’ny mpitandro filaminana dia mety ho fomba fiady hanakiviana ny ady amin’ny asan-dahalo ihany koa izao tranga izao.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







