Mahajanga – Vazaha nahafaty olona dia nandositra
Maty tsy tra-drano ny tovovavy vao 17 taona monja nodomin’ny fiara tsy mataho-dalana nentin’ny vazaha iray tany Mahajanga. Nandeha an-tongotra io zazavavy io no nofaohan’ilay teratany vahiny saingy tsy mba nijanona nijery ny nihafarany kosa ilay nandona fa nanohy ny diany hatrany. Efa nanao sakana mba tsy hahafahan’ilay vazaha mivoaka ny tanàna ny mpitandro filaminana no sady efa voaray rahateo ny laharan’ilay fiara izay avy ao Mahajanga ihany. Tsy fantatra kosa na noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka no nampandositra ilay mpamily na ihany koa tsy firaharahiana ny malagasy tsotra izao. Matetika mantsy dia anisan’ny mahatonga ny mpitondra fiara mandositra rehefa mandona ka mahafaty olona ny fisian’ireo mpanararaotra. Mbola maro ny manana ilay toe-tsaina hamboly savorovoro sy korontana noho ny fialonana ka mitarika ny olona hanimba ilay fiara sy handratra na hamono mahafaty ilay mpamily mihitsy. Ahian’ny maro ihany koa ny risika mety hahavitavita mora ny raharaha toy izao. Maro amin’ireo teratany vahiny nandona malagasy mantsy no alaim-panahy hitady hevitra hanambazana ara-bola ny havan’ny maty ka tsy migadra akory avy eo. Ny fitsarana ihany anefa no tompon’ny teny farany amin’ny raharaha nahafatesana olona toy izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







