Raikitra indray ny gidragidra !
Tsy hisy fitoniana mihitsy eto raha izao no mitohy! Raha somary nilamindamina kely mantsy ny raharaham-pirenena tao anatin’ny roa herinandro dia manomboka misamboaravoara indray ny rehetra hatramin’ny tapatapak’ity herinandro ity. Mivoaka amin’ny fahanginany ireo tsy manaiky ny tsy rariny ary mahatsapa fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao fotoana izao. Manambana ary ahiana ny hipoahan’ny savorovoro eto Antananarivo sy ny manodidina. Mihetsiketsika avokoa ireo hery velona rehetra ary manomana zavatra entina hampisehoan-kery.
Rehefa nitondra tsikera mahery vaika nisesisesy ho an’ny fitondram-panjakana ny antoko politika iray dia io fa niroso amin’ny fiantsoana ny vahoaka hidina an-dalam-be. Tsy nijanona tamin’ny tetikasa sy fampanantenana ny hetsika efa nambaran’izy ireo hatramin’izay fa tena notanterahiny tokoa. Ny tsy fantatra fotsiny dia ny hoe hahazo olona betsaka ve ry zareo sa tsia. Raha mba mpanaraka ny hetsika ataon’io fikambanana io mantsy dia heverina fa ho fanombohan’ny hetsi-bahoaka eto Madagasikara satria ho maro ireo misalasala no hanatevin-daharana izany.
Ankoatra izany dia io fa manomboka manao ny ataony ihany koa ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ahiana hiteraka savorovoro indray mantsy ny fanapahan-kevitra hanenjehana sy hanasaziana ireo mpivarotra amoron-dalana sy ny mpitarika sarety. Vahoaka madinika ireny izay mafitoto tsy laitran’ny ramatahoran’ny kaominina sy ny mpitandro filaminana. Mahazaka daroka sy ompa ny mpitarika sarety ary efa zatra ambaniana sy ampijaliana ka inoana fa tsy hanaiky mora foana ny sazy narangarangan’ny kaominina. Ny fiveloman’izy ireo rahateo no hokitihana ka heverina fa tsy hanaiky mora izy ireo.
Ho an’ny ivelan’ny renivohitra kosa indray dia misamboaravoara ihany koa ny vahoaka manoloana ny tsy fankasitrahana ny fiaraha-miasa amin’ny sinoa. Ny eny Anosiala no akaiky indridnra mikasika ilay fitrandrahana vato hanaovana ny lalana mampitohy an’I Tsarasaotra sy Ivato. Tao anatin’ny herinandro monja dia efa in-droa fara-fahakeliny ny mponina no nanao hetsika hanoherana ny sinoa izay lazain’izy ireo fa tsy manaja ny nifanarahana. Tsy mandray andraikitra anefa ny manam-pahefana mba handaminana io olana izay efa manomboka miitatra io. Hatramin’ny mpanao gazety no voarara tsy mahazo manao fanadihadiana sy maka sary ny zava-misy marina eny an-toerana.
Toy izany ihany koa ny eny Soamahamanina. Na dia naato aza ny fitrandrahana volamena ataon’ny sinoa dia tsy mbola manaiky ny mponina. Fantatr’ireto farany mazava tsara fa fampiatoana mandalo ihany no nataon’ny fitondram-panjakana fa vao milamindamina eo ny toe-draharaha dia hiverina ny asa fitrandrahana. Mailo ny vahoakan’i Soamahamanina ka tsy manaiky lembenana ary mijoro sy vonona hiady hatramin’ny farany. Marobe rahateo ireo fikambanana sy vondrona ary ny olom-pirenena tsotra miaro azy ireo.
Ankoatra izany rehetra izany dia manomboka manangona olona eto an-drenivohitra avokoa ireo fikambanana ara-pivavahana sy ara-panatanjahan-tena tokony tsy hanao politika nefa manao. Voalohany amin’ireny ny mpanao kung fu wisa tarihin’i Avoko Rakotoarijaona. Teo foana ny king fu wisa tamin’ny raharaham-pirenena nafampana nitranga eto Madagasikara ary tena miditra lalina amin’ny resaka ara-tsosialy sy politika mihitsy. Tsy nanafina rahateo i Avoko Rakotoarijaona fa hiteny ny heviny sy ny fomba fijeriny manoloana ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka eny ifotony ireo mpanao kung fu miisa iray alina mahery ho avy eto an-drenivohitra.
Toy izany ihany koa ny fiangonana Apokalipsy izay tarihin’ny pastera Mailhol izay hanao hetsika goavana hankalazana tsingerin-taona. Manao politika ihany koa ity fiangonana ity ary efa nilaza im-betsaka ny handray ny fanjakana ny pasitera Mailhol. Ny taona 2013 no nolazain’ny faminaniany fa hahatonga azy ho Filoham-pirenena saingy tsy tanteraka izany. Efa eo am-panangonana ny mpanara-dia azy manerana ny Nosy hiakatra eto an-drenivohitra ny Apokalipsy ary miantso ny mpitondra Fanjakana rehetra nifandimby sy ny mpanao politika ary ny fiangonana zokiny sy zandriny rehetra ho avy hanotrona io fivoriam-be hankalazana tsingerin-taona io. Andrasan’ny maro ny fanambarana ataon’ny pasitera Mailhol mikasika ny raharaham-pirenena amin’io fotoana io.
Ho an’ny vahoaka madinika kosa dia mihamaro ny olana ara-piarahamonina sendraina. Eo ny fiverenan’ny delestazy izay mampimenomenona ny olona, toraka izany ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny firohotan’ny tsy fandriam-pahalemana. Efa hiroso amin’ny fampidirana mpianatra indray ihany koa ny ray aman-dreny ka ho sahirana noho ny tsy fananam-bola. Ireo olana ara-tsosialy mianjady amin’ny isan-tokantrano ireo dia mitarika ny olona ho tofoka amin’ny mpitondra ka ho mora hotarihin’ny mpanohitra mba handray anjara amin’ny hesti-bahoaka. Mafampana ny raharaha ka mila vahaolana maika mba tsy hisian’ny kirizy!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







