Ambatolampy – Miakatra be ny saran-dalana
Tafakatra hatramin’ny 8 arivo Ariary izao ny saran-dalana mankany Ambatolampy, efa nisy fotoana anefa marin-toerana teo amin’ny 5 arivo sy 6 arivo Ariary teo. Tena fananaraotana io fisondrotana io hoy ny mponina any an-toerana satria tsy misy idiran’ny vidin-tsolika mihitsy. Fotoanan’ny famadihana mantsy izao ka mody any an-tanàna ireo mpila ravin’ahitra rehetra ka izay no mahatonhga ny mpitatitra hanao izay danin’ny kibony. Tsy afaka mitsabaka amin’ny saran-dalana rahateo ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraiki-panjakana ka tsy hita izay hiarovana ny mpandeha. Na izany aza dia tena manao ny andraikiny ny mpitandro filaminana ary nametraka fepetra hentitra amin’ny fampanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Misy ny fanaraha-maso ataon’ny polisy sy ny zandary mahakasika ny taingim-be sy ny fisavana ny fiara mandalo amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Na ireo mpitaingina môtô sy skotera tratra tsy manao aroloha aza dia tena iharan’ny sazy mafy mihitsy mba hahatonga saina azy ireo. Vao tsy ela ihany koa izay dia nisy mpamily mamo nanao lozam-pifamoivoizana ka saika nahafaty olona tany Ambatolampy. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy io ary notanana am-ponja vonjimaika.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







