Fampidirana jiro – Voasambotra ilay mpiasan’ny Jirama sandoka
Rehefa ela nikarohana azy noho ny asa fisolokiana nataony ho mpiasan’ny orinasa Jirama avy any Antananarivo, ka milaza fa mahatafiditra jiro ho an’izay tsy mbola manana kaontera dia ny alakamisy 11 aogositra 2016 tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro no saron’ny polisim-pirenena tao Tanamakoa i Marius, 41 taona. Milaza mahatafiditra jiro ny tenany ka maka vola 1 000 000 Ar amin’izay tokantrano hofitahany. Sintoniny avy amin’ny andrin-jiro tsy lavitra ny herinaratra ka tafiditra amin’izay tokantrano nakany vola. Na dia misy herinaratra aza ny trano nanaovany izany dia nahavariana ireo nahatafidirany fa tsy nisy mihitsy faktioran-jiro milaza ny vola tokony haloa. Velon’ahiahy sy tahotra ireo voasoloky ka nanatona ny biraon’ny Jirama avy hatrany nanambara ny zava-nisy nihatra tamin’izy ireo. Araka ny nambaran’ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toamasina, Veloson Léonard, dia miisa dimy ny olona no tonga nanatona sy nanome fanazavana ny mikasika io fisolokiana nataon’i Marius io. Mbola tratra teny aminy avokoa ireo fitaovana fampiasany amin’izany halatra jiro sy fisolokiana izany miaraka amin’ireo taratasy hosoka
ZOUZOUH Toamasina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







