Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Toamasina – olon-dratsy 4 voasambotra

Ho fametrahana ny fisian’ny fandriam-pahalemana eto Toamasina dia misy ny lamin’asa iarahan’ny eo anivon’ireo sampan-draharahan’ny polisim-pirenena. Ny alakamisy 11 aogositra lasa teo, nanditra ny famoahana ireo vokatra fahatratrarana mpanendaka sy mpivarotra rongony ary mpangalatra moto no nampahafantarana izany. Fantatra ary fa nizara ho sekitera roa ny  fiasan’ny fip : ny polisy bazary kely ary ny polisy Tanambao I. Ny fip dia misahana an’i Toamasina andrefana, raha ny afovoan-tanàna sy ny ilany atsinanana kosa ny an’ny polisy bazary kely sy ny polisy Tanambao I. Na izany aza dia mandray ny antso rehetra avy amin’ny vahoakan’i Toamasina ny iray amin’ireo sampan’ny polisy telo ireo, saingy arakaraka ny maha akaiky kokoa ny toerana misy ilay olona mila vonjy no hizarana ny andraikitra. Ankinina amin’ny polisy akaiky kokoa ilay toerana ny famonjena ilay olona mba tsy ahatara ny fahatongavana. Nisy ny vokatra azon’ny polisy teto Toamasina, ka saron”ny polisy bazarikely, teny amin’ny tetezana akaikin’ny hopitalibe  sy teny Ambohijafy ny talata lasa teo ny mpanendaka telolahy. Ho an’ny fip kosa dia mpivarotra rongony telolahy ihany koa no tratra ny polisim-pirenena avy ao amin’ny fip teny an-dRanomadio ny alakamisy 11 aogositra lasa teo, niampy lehilahy iray izay mpangalatra panneau solaire sy moto.

Zouzouh Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre