Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Vatomandry – Voafehin’ny fokonolona ny haintrano

Trano lehibe iray no ravan’ny afo tanteraka tany Vatomandry. Niezaka nanao izay ho afany ihany ny fokonolona tamin’ny famonoana ny afo saingy noho ny rivotra nitsoka mafy dia tena tsy nisy azo natao ankoatra ny nisoroka ny tsy hitaran’ny afo. Nahomby izany noho ny firaisankinan’ny rehetra ka tsy nahasarika trano hafa teo amin’ny manodidina ny lelafo nijoalajoala. Tsy nisy maty sy naratra tamin’ity haintrano ity. Noporofoin’ny vahoaka fa rehefa tena misy ny fifanomezan-tanana ara-potoana dia azo atao tsara mihitsy ny mifehy ny loza ka tsy hampihitatra be izany. Matetika mantsy amin’ny haintrano toy itony dia samy manavotra ny entany ny tsirairay ka efa mihitatra mandoro ny tanàna ny afo izay vao mikoropaka mifandrombona amin’ny famonoana. Ny tena mahagaga dia lasa mateti-piavy loatra ny haintrano tato anatin’ny taona vitsivitsy nifandimby izay. Tsy mifidy faritra fa na aiza na aiza dia voa avokoa rehefa misy tanàna. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia tsy mifidy sarangan’olona fa na trano hazo eny ambany tanàna, na tranon’ny manan-katao dia efa samy nisy may avokoa tamin’ity taona ity. Ankoatra ireo niniana natao noho ny ankasomparana dia ny tsy fitandremana no antony voalohany mahatonga ny haintrano.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre