Isotry – Rongony 100 fonosana no fohan’i Rasta
Mividy rongony ambongadiny mihitsy ny lehilahy iray ka tsy akany tombony izany fa ho fohany any ambanivohitra lavitra misy azy. Nambarany tamin’ny polisy fa mahalany fonosana 2 isan’andro izy. Izany hoe ampy hataony vatsy mandritra ny iray volana sy tapany ny rongony 100 fonosana tratra teny aminy. Ny polisy avy ao Ilanivato, nanao fisafoana teny Isotry sy andavamamba no nahatratra io mpifoka rongony io teny amin’ny lalamby ny alin’ny alarobia lasa teo. Rasta no anarana ahafantarana ity mpanamôly izay efa natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika. Misy ihany anefa ireo tsy mino ny fanazavan-dRasta ka mihevitra azy ho mandainga. Raha ny fijery azy mantsy dia sady mpifoka no mpivarotra rongony izy fa tsy ho azy irery izany ireo 100 fonosana tratra teny aminy ireo. Raha ny fahita dia tena efa tafiditra amin’ny andavanadrom-piainan’ny tanora eto an-drenivohitra mihitsy ny fifohana jamala. Mahagaga ny vahoaka ihany anefa ny mahatafiditra ireny eto an-tanàna satria tsy mba misy fambolena rongony eto ary betsaka ny fisavana ireo fiara eny amin’ny lalam-pirenena. Efa tambajotra goavana ny fivarotana rongony eto Madagasikara ary manaporofo izany ny nahatratrarana ireo olona akaiky ny minisitra sy solombavam-bahoaka nitondra rongony marobe tamin’ny fiara 4×4.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







