Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Hitombo indray ny sorona

Tsy mbola mikatona akory ny fery sy ny ratram-pon’ireo niharan-doza sy lasibatry ny krizy politika nifanesy teto Madagasikara dia efa misy mitady sorona sahady. Mbola malahelo ary sarotra ampihononina ny ankamaroan’ireo mpikambana ao aminny AV7. Na dia omen’ny Fanjakana fanampiana isam-bolana sy tolorana asa eo anivon’ny asam-panjakana aza ny maro amin’izy ireo dia tsy hamerina ny havany namoy aina sy ny takaitra nozakainy izany. Tsy mety soloina na inona na inona ny aina. Toy izany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Fedep izay ivondronan’ireo gadra politika sy nitondra faisana tamin’ny savorovoro politika rehetra teto amin’ny firenena. Tsy mbola voaonitra ny fahafaham-baraka sy ny fahaverezam-pananana ary ny voina nianjady tamin’izy ireo mandraka androany. Ireo izay nanana fikambanana ireo notanisaina teo ireo fa an-tapitrisany ny malagasy nitondra faisana hatramin’ny krizy 1972, 1991, 2002 ary 2009. Ny fahantrana no iraisan’ny rehetra, izay mbola tsy ahitam-panafany hatramin’izao. Mbola mitady hatrany ny fomba hahafahana mamitrana ny fihavanana izay nosimban’ny fanaovana politika ny malagasy ary tsy mety mahita mangirana ihany koa amin’ny asa fampandrosoana. Efa manomboka manambana sahady indray anefa ankehitriny ny krizy vaovao noho ny tsy fahaizana mifampihaino sy mifandresy lahatra ambony latabatra. Andaniny ny fitondram-panjakana manao di-doha sy tsy mihaino, ankilany kosa dia misy antokon’olona zatra ny lalan-dririnina ka tsy mahita lalana ankoatra ny fanonganam-panjakana.

Tena mafy ny manjo ny firenena sy ny vahoaka ary efa tena tsy azo ekena intsony ny zava-misy amin’izao fotoana saingy azo sorohina tsara ny fifandonana. Ny tsy fisian’ny sehatra hahafahan’ny vahoaka maneho hevitra no tena olana eto Madagasikara. Rehefa tsy ampy fifampiresahana mantsy ny vahoaka sy ny mpitondra dia mahazo laka hatrany ny lojikan’ny fifandonana. Nakaton’ny mpitondra avokoa ny varavarana rehetra hahafahana miteny sy mampahafantatra ny zava-misy marina eny anivon’ny fiarahamonina. Anisan’izany ny fandrarana ny hetsika politika rehetra eny an-dalam-be. Mila fahazarana ary fitaizana ny vahoaka hahay haneho hevitra ihany koa. Tsy voatery hiafara amin’ny fanimban-javatra sy ny fanakorontanana hatrany mantsy ny fivoriana an-kalamanjana. Rehefa homena sehatra hahafahany mampiseho ny heviny sy ny hamaroany ny olona dia mahay mionona amininy. Ny olana eto amintsika dia mafy loatra ny fandrarana ka tsy maintsy ny fifandonana hatrany no lasa mahazo vahana. Lasa toy ny soavaly tapa-kofehy ny olona rehefa mahavita manohitra ny mpitandro filaminana mandrava hetsika ary miafara amin’ny savorovoro hatrany ny raharaha. Misy rahateo ireo mifikitra mpampiady angely ka miandry kendritohana fotsiny mba hanakorontanana. Raha ny tokony ho izy izany dia ny fanomezana ny olona alalana ho afaka hivory sy haneho hevitra an-kalalahana saingy ao anatin’ny fanajana ny lalàna no vahaolana tsara indrindra hisian’ny famitranam-pihavanana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra.

Afaka omena ny mpanao fihetsiketsehana, ohatra ,ny kianjan’ny demokrasia ka manao izay tiany sy milaza izay tiany hambara ao izy ireo. Ny mpitandro filaminana kosa miandry ety ivelany ary mandray fepetra hentitra sy manasazy izay olona mihoa-pefy. Tsotra ary azo tanterahina tsara ireo rehetra ireo no sady fantatr’ireo tompon’andraikitra saingy ny finiavana handefitra sy handinika mihitsy no tsy misy. Efa zatra ny lojikan’ny fifandonana sy ny tsy fisian’ny finiavana hihaino ny hafa anefa ireo afaka manapa-kevitra ka misafidy avy hatrany ny hery famoretana. Fitiavan-tena tsy mitondra mankaiza anefa izany satria ireo mpanome baiko tsy mba voatohintohina ao anaty savorovoro fa ny vahoaka tsy manan-tsiny ihany no lasibatra. Raha tena sahy hiroso tokoa amin’ny fidirana an-keriny eo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny Afp dia inoana fa hisavorovoro indray ny renivohitra satria tsy maintsy hisy ny fanaparitahana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny fisamborana ary ny fampiasan-kery.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre