Ady tany – Lahy antitra 70 taona notapahin-doha
Faty efa tsy nisy lohany sisa no tazan’ny olona teny amin’ny manodidina. Tsy fantatra hoe iza io maty io ka natao ny fikarohana. Rehefa nisavasava elaela ny fokonolona dia hita teny amoron-dranomasina ny lohan’ilay rangay lehibe efa 70 taona. Tany amin’ny fokontany Ampasikely nosy be no nisehoan’io tranga hafakely io ny 11 aogositra tamin’ny 8 ora maraina. Raha ny tombana maika nataon’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanadihadiana dia heverina fa tena vono olona ity nitranga ity. Efa fantampantatra ihany koa ny mety ho anton’ izany sy ny nahavanon-doza satria nanana olana tamin’ny resaka tany ity namoy ny ainy ity. Ady tany izany no antony namonoana azy ary ilay olona tsy nifanaraka taminy no heverina ho namono. Nandray fepetra maika ny mpitandro filaminana mba hanafainganana ny fanadihadiana satria ahiana hiafara amin’ny valifaty sy fatiolona mikararana indray ity raharaha ity. Iaraha-mahalala mantsy fa tsy manaiky ny tsy rariny sy ny vono olona arahina herisetra mahatsiravina niniana natao toy izao ny mponin’i Nosy be. Mbola tsy hadinon’ny rehetra mandraka androany ilay tranga nanaovana fitsaram-bahoaka sy nandorana velona teratany vahiny roalahy tany an-toerana. Tamin’iny aza tsy mbola nisy porofo mitohaka amin’ny tendany akory fa mbola ahiahy sy tombatombana fotsiny dia efa nampirohotra ny vahoaka. Manaratsy laza an’i Nosy be ihany koa ny vono olona sy ny tsy fandriam-pahalemana toy izao nefa ity distrika ity dia efa tena miarin-doha tanteraka sy tena mandroso be amin’ny resaka fizahan-tany.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







