Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fenoarivo – Mpiambina matin’ny poizim-boalavo

Lehilahy iray mpiambin-tanàna no maty irery tao an-tranony tany Benasandratra Fenoarivo ny 11 aogositra lasa teo. Nahagaga ny manodidina ny tsy fahitana azy nivoaboaka ka nahatonga ny olona hitsirika izay zava-nitranga. Vata mangatsika sisa tazana tao an-trano rehefa nopitsohana ny varavarana. Rehefa tonga ny tompon’andraikitra sy ny mpitsabo dia nanao ny fizahana ka tsikaritra tamin’izany fa nihinana poizim-boalavo no nahafaty ilay lehilahy. Heverin’ny rehetra fa namono tena izy raha io fanafody nohaniny io.  Tena mirongatra be ny faty olona hita irery ao an-tranony tato ho ato. Raha tsy nihinana poizina, na nananton-tena dia matin’ny hamamoana sy ny toaka. Tsy fantatra mazava izay tena anton’izany fa ny tsy fahazakana ny hetraketraky ny fiainana toy ny fahadisoam-panantenana ara-pitiavana sy ny aretina tsy mety sitrana ary ny olana ara-pianakaviana no tena mahatonga ny olona hamono tena sy hamono eritreritra amin’ny fisotroan-toaka be loatra. Niova kely anefa ny tranga satria raha ny mahazatra hatramin’izay dia ny vehivavy no tena betsaka mamono tena ary ny fihinanana fanafody be dia be na ny fitsambikinana any anaty rano no tena fanao. Tato ho ato kosa dia lehilahy no manampitra ny ainy amin’ny fanantonana tena sy ny fibobohana be loatra.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre