Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Anjozorobe – Tsy fantatra izay nahafaty ilay rangahy

Rangahy iray 42 taona no hita faty tany anaty kirihitra ny 11 aogosora lasa teo tany Ambanitsena Anjozorobe. Hita tamin’ny fizahana natao azy fa nisy kiky ny lohany ary nivoaka farora-bava izy. Tsy nanamarina kosa anefa ny dokotera nanao ny fizahana na nisy namono io lehilahy io na matin’ny krizin’aretina. Tombanan’ny olona sasany mantsy fa narary tampoka teny an-dalana izy dia naka malomaloka ary nidaboka tao ka maty irery tsy nisy mpahita. Ny hafa kosa mihevitra fa mety ho daroka no nahatonga ilay ratra kely teo amin’ny handriny. Mbola misitery ity raharaha ity ary miandry fatratra ny vokatry ny fanadihadiana ny vahoaka any an-toerana. Na miezaka ny manadio ny fari-piadidiany aza ireo tompon’andraikitra sasany any Anjozorobe dia tsy azo lavina fa anisan’ny faritra mena ity distrika ity. Ankoatra an’Ankazobe dia Anjozorobe no tena mbola ahenoana halatr’omby izay sokajian’ny tompon’andraikitra ho vaky vala fa tsy asan-dahalo. Matetika ahenoana faty olona ihany koa any an-toerana araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Manomboka mampiahiahy ny mponina izao tsy fandriam-pahalemana mateti-piavy izao ka andrasan’ny vahoaka ny hisian’ny fepetra manokana hanafoanana ny vono olona sy halatr’omby any an-toerana.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre